Natia Immobilier

Natia Immobilier Tokontany ho an'ny rehetra no tanjonay. Un Terrain pour tous.

01/08/2025

Mariage nofinofy no nataony. Fa narary ilay fifohazana avy eo 😕

Avy amina fianakaviana somary sahirana i Nirina; nanana fofom-bady izy. Zanaka manam-pahaizana ny tovovavy, ary manana namana maro ambony toerana ireo ray aman-dreniny; fa tsy nanana inona firy koa izy ireo. Vita ny vodiondry ary rehefa nanomboka niresaka mariazy ireo dia nanomboka nisy pression…

« Mila mariage manome voninahitra ny fianakaviana ianareo fa tsy atao tsotsotra izany. Ny olona asaina ve directeurs, manam-pahefana, olona ambony daholo dia…»
- Nanofa trano lehibe,
- Niantso orchestre malaza,
- Buffet avo lenta ho an’olona 300,
- Tête de cortège raitra dia raitra,

Nankalazain’olona rehetra izy 2 kely satria tena nahafinaritra ilay fotoana.
Fa tsy nisy nahita azy nitomany efa ho isan’andro, nandritra ny 7 taona aty aoriana.

Androany i Nirina mivady manofa efitra faran’izay kely 2 hipetrahan’izy 5 mianaka. Tsy ampy fitaovam-pianarana ny ankizy, miady matetika… satria mbola mibaby trosan’ny mariage-na mpanjaka nataony, mbola voafatotry ny lasany.

Tsy nisy nanazava azy ngamba hoe :
Ny mariage Andro iray toa zato…
Fa ny fiainan-tokatrano isan’andro 🙁
Sy hoe ao fiainana misy izany:
• vary vidina isan’andro izany
• jiro sy rano aloha (na délestage foana aza)
• aretina, fianarana, adidy …
• fananganana ho avy …

Lesona : aleo mariage tsotra dia miaina fiadanana avy eo, toy izay mipĂ´pĂ´ka be nefa avy eo tsy hanan-kohanina.
Tsy mahavelona ny dokadokan’olona sy ny sary mampitsiriritra ato amin’ny Facebook. Fanapahan-kevitra misy fahendrena no mahavelona.

Ary raha ny hevitrao : tokony hiaino ray aman-dreny ve sa hanao izay tianareo 2 ihany rehefa manomana mariage?
Raha averina atao ny anareo dia inona no ahitsinao?

Miarahaba tompokoTrano. En cours de finition amidy...Taratasy: KaratanyRefy: 3a 88ca (388m2)Toerana: IMERIKANJAKA (Fehil...
29/07/2025

Miarahaba tompoko
Trano. En cours de finition amidy...
Taratasy: Karatany
Refy: 3a 88ca (388m2)
Toerana: IMERIKANJAKA (Fehiloha) commune Ambatomirahavavy.
Vidiny: 100 millions miady varotra.
Tsy accès aloha atreto... Tsara toerana s'y rivotra. Efa misy voankazo maromaro maniry eo.
0341831912

Miarahaba.Amidy maika maika. Tany 04Are21 TitrĂŠ & BornĂŠ. Antanety-Ambatomirahavavy (Commune Ambatomirahavavy) -15min Ă  p...
17/05/2025

Miarahaba.
Amidy maika maika.
Tany 04Are21 TitrĂŠ & BornĂŠ.
Antanety-Ambatomirahavavy (Commune Ambatomirahavavy)
-15min Ă  pieds miala eo ankadibe route principale.

1) Tongany fiara aloha izy zao. Fa mila mifampiresaka @ tompontany manodidina mifandamina.
2) Efa misy lavadrano ( io anaty trano kely io)

Vidiny: 120 millions fmg fixe

0341831912 Mme Natia.

Misoatra tompokl

❤️
08/05/2025

❤️

MBOLA KELY IZY.
Mora faly. Mora maratra. Mora mino.

Tsy mitady zava-dehibe amin’ny fiainana ny zanakao...
Fa mitady fitiavana. Mitady hafanana. Mitady feo malefaka.

Kolokoloy iny fo keliny iny.
Satria indray andro any, hitombo izy. Hahita izao tontolo izao amin’ny endriny tena izy.
Hahita olona tsy tia azy, hahita fianjerana, hahita faharesena.

Ka aiza no hiverenany ? — Trano feno fitiavana, sa fahazazana feno ratra ?

Tsy afaka hiaro azy amin’izao tontolo izao isika mandrakizay.
Fa afaka manao izay hahatonga antsika tsy ho anisan’ny ratra-po mahazo azy.

Tsy maintsy ho diso fanantenana izy amin’ny fiainana…
Fa ataovy izay hahatonga azy tsy ho diso fanantenana amin'ny ray aman-dreniny.

Kolokoloy iny fo keliny iny, amin'ny alalan'ny fihetsika ataontsika sy ny teny aloaky ny vavantsika.

Pejy - Mpanabe Fototra

Miarahaba tompoko. Amidy tompoko.
07/05/2025

Miarahaba tompoko. Amidy tompoko.

18/04/2025

MANANA OLANA AMINAO ny olona iray?
tsarovy fa azy izay ilay olana, tiany afindra aminao fa aza raisina. Mety mialona anao izy dia mila ady… Aoka izy no hanasitrana ny feriny.

MANANA OLANA AMAN‘OLONA indray ianao ?
Kopy ianao izay fa aminao ny olana. Fantaro aloha sao mba mialona azy ianao. De sitrano ny ferinao.

SAHIA MIAVAKA AMIN‘NY TSARA

16/04/2025

Tsy invitĂŠ ianao?
-Aza mitonatonana mandeha any.
Nanafenana Êvènements nandalo ianao?
-Aza be fanotaniana.
Amin'ny moment farany zareo vao nanasa anao?
-Lavo tanteraka.
Tsy tao anaty première liste ianao.

Rehefa tsy misy fifanajĂ na dia mialĂ  moramora.

ManĂ na dignitĂŠ

Ndao hanova zavatra

16/04/2025

FOMBA IALANA AMIN'NY FITROSÀNA.

-Ao an-tokatrano
Rehefa ny olona lava indrindra no mampirina na manantòna zavatra ambony dia tsy ho takatr'olona fohy velively raha tsy hoe hianika seza izy.

-Amin'ny fiainana,
Mahaiza mametraka zavatra, mahaiza manantona zavatra araka izay takatry ny tananao raha tsy te hitavandra fanampiana avy any amin'ny hafa ianao.

-Amin'ny ara-bola,
Mahaiza mividy zavatra, mahaiza manjifa zavatra araka ny ambaratonga misy anao raha tsy te ho tafiditra ao anaty fitrosana sy ny findramana ianao.

-Aza manofa trano mitovy amin'ny karama raisinao isambolana.
-Aza mampiditra zanaka amin'ny sekoly tsy zakan'ny tsenanao.
-Aza mividy zavatra, aza manjifa zavatra mba hanindrinao ny namanao.
-Aza mamoaka vola mihoatra ny vola miditra aminao.
-Aza mampitovy ny fiainanao amin'ny fiainan'ny hafa.

Tsy voatery hitovy amin'ny fidirambolan'ny hafa akory ny fidirambolanao.

"Accrochez votre sac oĂš vos bras peuvent arriver"

Mahaiza miaina araka ny ambaratonga misy anao.

Ndao hanova zavatra

15/04/2025

Miarahaba tompoko.
Mitady local Ă  louer maika manodidina AMPEFILOHA Hatreny andrefan'Ambohijanahary.
Refy ilaina manodidina ny 25m2
Amoron-dalana.
0341831912

Amidy tompoko
14/04/2025

Amidy tompoko

Address

LOT IPA 292 Bis-A Anosimasina Itaosy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Natia Immobilier posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share