09/04/2025
MIVIDY TANY = MIVIDY ACTIF
Mba fantatrao ve ny mampitombo ny isan'ny banky eto Madagasikara?
Ny mahantra dia tia mampatory vola, tia mametraka vola any amin'ny banky ary avy eo hividianany "passif"
Ny manan-karena dia tia mampiasa vola, manodina vola ary hividianany "actif"
Mba fantatrao ve fa ny mpanan-karena no mampiasa ireny vola hampatorinao any amin'ny banky ireny?
Indraminy ilay izy dia ampiasainy hividianany "actif".
Ry namako,
Ny fiainana dia lanja-miakatra fa tsy midina.
Raha nahatadidy ianao tamin'ny 2018 dia 5000ar ny "litres" ny menaka, ankehitriny dia avo roa heny ny vidiny.
Fa maninona aho no niteny hoe mividy tany = mividy "actif"?
Satria ny tany dia miaka-bidy.
Fa maninona no tsy apetraka any amin'ny banky?
Tadidio fa raha mametraka 50millions any amin'ny banky ianao anio dia ho 50millions fona iny afaka 5 taona, miaraka amin'ny pourcentage kely, ary tsy hitovy amin'ny valeur-ny zavatra azony anio ny valeur-ny zavatra ho azony afaka dimy taona.
Raha mividy fiara tsy mampidibola 50 millions ianao anio, afaka 5 taona efa tsy 50 millions intsony no hamarotanao an'iny fa mety ho 30 na 25 millions.
Satria midina ny "valeur"-ny.
Fa raha mividy tany 50millions ianao anio dia ho lasa 100millions iny afaka dimy taona rehefa amidinao.
Satria miakatra ny valeur-ny.
Tsy itanao ve fa mitombo izy raha nividiananao tany au lieu dia hapetraka any amin'ny banky na nividianana fiara tsy ampiasaina?
Tsara ny manangona vola, ary mamporisika anao aho mba tsy handanindany vola amin'ny tsisy antony fa tsaratsara kokoa raha hampiasainao amin'ny zavatra miaka-bidy ny volanao.
Mihena ny valeur-ny raha hampatorinao.
Miakatra ny valeur-ny rehefa hampiasainao.
Izaho tompoko dia tsy mampatory vola any amin'ny banky, fa mampiasa ny volan'ny banky amin'ny alalan'ny fananganana "actif"
Ny atao hoe fiara "passif" dia fiara tsy mampiditra vola ho anao
Te hahomby amin'ny ara-bola ve ianao?
Aza mampatory vola, ampiasao ny volanao.
Ndao hanova zavatra