PATY GASY By Claudia

PATY GASY By Claudia Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from PATY GASY By Claudia, Real Estate, Ambohitrimanjaka, Antananarivo.

📣 Tongasoa eto amin’ny Paty Gasy by Claudia!
🍜 Paty gasy vita an-tanana, akora voajanahary & menaka voadio.
🧡 Tsiro nentin-drazana, mahasalama ho an’ny fianakaviana.
📞 Kaomandy & info: WhatsApp 👉 +261 34 88 265 55

🍝FIANARANA MANAO PATY GASY➡️ Ho anao mpivarotra hanimasaka, GARGOTE na RESTAURANT, Tianao ve raha ianao mihitsy no manao...
02/11/2025

🍝FIANARANA MANAO PATY GASY

➡️ Ho anao mpivarotra hanimasaka, GARGOTE na RESTAURANT, Tianao ve raha ianao mihitsy no manao ny paty gasy amin'ny sakafo amidinao mba ampihena ny masokarenanao nefa ampiakatra ny tombombarotrao;
➡️ Sa ianao ilay tia mihinana paty be ireny mihitsy ka te hanao fa tsy ividy lava fona 😋
➡️ Sa te hahay manao paty gasy fotsiny ianao ho anao ao an-trano sy ny fianakavianao;

🎯 Ianao tanora, Reny, Mpanao sakafo...
Natao ho anao ary ity fampianarana manao paty gasy ity koa aza miandry intsony;

Pratika avy antrany, ianao mihitsy no manao azy miaraka aminay ato amin'ny Atelier-anay Paty gasy by Claudia eto Ambohimandroso Ambohitrimanjaka;
Misy isanandro ny fianarana, Alatsinainy ka atrami'ny Sabotsy na ny maraina na ny tapakandro ariva

💰 Saran’ny fianarana: 20 000 Ar
📞 Antsoy: 034 88 265 55
✨ Mahay manao Paty Gasy ianao vao mody! ❤️

TIANTSIKA VE NY AHALALA NY TANTARAN‘ITY PATY PATY TSY TANTITSIKA ITY NY TSY MIHINANA AZY??Andeha ho fitiniko fohifohy am...
15/07/2025

TIANTSIKA VE NY AHALALA NY TANTARAN‘ITY PATY PATY TSY TANTITSIKA ITY NY TSY MIHINANA AZY??

Andeha ho fitiniko fohifohy amintsika ny niandohany sy ny nampalaza azy...

🍝 Tantaran’ny Paty: Avy any Chine nankany Italie… !
Fantatrao ve fa efa an’arivony taona ny tantaran’ny paty (na spaghetti)?
Izao àry no tantara fohy sy mahaliana azonao zaraina amin’ny namanao 👇

🔸 Niandoha tany Chine 🏯
Araka ny tantara, efa tamin’ny 2000 taona talohan’i Jesoa Kristy no nisy paty tany Chine! Vita tamin’ny mil (vary maina) sy varimbazaha izy io ary nohanin’ny Sinoa amin’ny endrika nentin-drazana.

🔸 Marco Polo ➡️ Italie 🇮🇹
Nilaza ny tantara fa Marco Polo, ilay Italo mpandeha tany amin’ny taonjato faha-13, no nitondra an’ilay paty sinoa ho any Italie. Tao no nampivelatra sy nampalaza azy amin’ilay endrika fantatsika ankehitriny: spaghetti, penne, macaroni, lasagna…

🔸 Italie no Renivohitry ny Paty 🍅
Tao Naples no tena nampiasa paty ho sakafo andavanandro, miaraka amin’ny sauce voatabia, fromazy, menaka oliva… Tamin’izany dia sakafo mora vidy nefa maha-feno ho an’ny rehetra izy io.

🌍 Firenena tena mihinana paty eran-tany:
🥇 Italie — 23 kg isan-taona isaky ny olona!
🥈 Etazonia — Maherin’ny 2,7 miliara kilao no lanin’izy ireo isan-taona
🥉 Brésil, Frantsa, Rosia, Alemaina — anisan’ny mpanjifa paty lehibe

💡 Tena tsara ho fantatra:
✔️ Misy karazany maro: spaghetti, penne, fusilli, lasagna, ravioli…
✔️ Misy gluten-free ho an’ireo manaraka régime manokana
✔️ Azo atao amin’ny tsiro rehetra:
➡️ Sauce bolognaise, sauce coco, tantely sy voanio, na koa paty gasy matsiro! 😋

🥰 Ary eto aminay…
Izahay eto amin’ny Paty Gasy by Claudia dia manolotra an’io paty maneran-tany io amin’ny endrika sy tsiro gasy, feno fitiavana, feno hafanana.

👉 Raha tia paty ianao…
👉 Raha tia tsiro nentin-drazana…
Dia ho tia PATY GASY!

➡️ Zarao amin’ny namanao! Ary soraty eto ambany: Inona no fomba tianao hihinana paty? 🍽️👇

📢 Tongasoa eto amin'ny pejy Paty Gasy by Claudia! 🍜💛Faly izahay mizara aminareo ny vokatra vaovao vita amin’ny fitiavana...
10/07/2025

📢 Tongasoa eto amin'ny pejy Paty Gasy by Claudia! 🍜💛

Faly izahay mizara aminareo ny vokatra vaovao vita amin’ny fitiavana sy tanana malagasy:
👉 Paty gasy mamy sy matsiro, vita amin'ny akora voajanahary
👉 Tsy misy simika, vita amin’ny menaka voadio, mahasalama ho an'ny fianakaviana
👉 Misy karazany ho an’ny rehetra: ho an’ny ankizy, ho an’ny fety, na ho an’ny sakafo andavanandro

🎯 Tanjonay ny hanome:
✔️ Tsiro nentin-drazana
✔️ Kalitao tsara & fiarovana ara-pahasalamana
✔️ Sakafo vita am-pitiavana, manohana ny vokatra malagasy

📍 Afaka manafatra mivantana eto amin'ny pejy ianao!
📞 Kaomandy & fanazavana: WhatsApp 👉 +261 34 88 265 55

Misaotra indrindra amin'ny fanohanana 🙏
Zaraina azafady raha tianao ny manohana ny mpamokatra malagasy! 💪🇲🇬

Address

Ambohitrimanjaka
Antananarivo
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PATY GASY By Claudia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category