Cabinet d'étude foncière/Agence immobilière

Cabinet d'étude foncière/Agence immobilière Gestion des Affaires et Conseiller : Commercial, Familial, Contrat de vente-Achat, environnement

30/07/2026

🇲🇬FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA

𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚

1️⃣ 𝑭𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂

Ny lalàna 60-004 no nihatra mahakasika ny tanim-panjakana talohan’ny fanavaozana azy tamin’ny 2005.

Taorian’ny 2005 dia teraka ny lalàna 2005-019/17 Oktobra 2005 mikasika ny sata-tany : tanim-panjakana, tany an’olon-tsotra ary misy ny tany manana ny sata manokana.

Nisy ny fanovana ny lalàna tamin’ny 2005. Ankehitriny, ny lalàna 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 no manankery amin’ny fangatahana tanim-panjakana.

2️⃣ 𝑰𝒛𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

Afaka mangataka avokoa ny olon-drehetra.

3️⃣ 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒓𝒆𝒇𝒚 𝒕𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 ?

Tsy voafetra ny refin’ny tany azo angatahina.

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : tanim-panjakana tsy misy titra, tsy misy kadasitra, na efa manana titra amin’ny Fanjakana .

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓽𝓼𝔂 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : natokana ho an’ny Minisitera, Domaine Public (ampiasaina hoan’ny vahoaka).

4️⃣ 𝑹𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒍𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

👉🏻Miafara amin’ny fahazoana 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 ny dingana arahina amin’ny fahazoana tany. 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 izay milaza fa an’ny Fanjakana Malagasy aloha ny tany, ary izy no manome izany ho an’ny mpangataka.

🫴🏻 Misy karazany maromaro ny fanomezana tany ataon’ny Fanjakana :
𝐹𝑖𝑣𝑎𝑟𝑜𝑡𝑎𝑛𝑎 (vente)
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑦 (affectation) raha ho an’ny Minisitera
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑙𝑜𝑟𝑎𝑛𝑎 (Dotation) raha hoan’ny Kaominina
Fampanofana : fampanofana tsotra (bail ordinaire), bail emphytéotique.

5️⃣ 𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒐𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂?

👉🏻Fanaovana saritany (plan) any amin’ny sampandraharahan’ny Fadrefesantany (service topographique) ka tsy maintsy midina any an-toerana izy mamaritra ny tany izay hangatahina.

👉🏻 Raha azo angatahina ny tany dia afaka miroso amin’ny famenoana ny « formulaire ».

👉🏻 Aterina ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany (Service des domaines) ny « formulaire » hitahirizana (enregistrement) ny antontan-taratasy. Miaraka amin’izay ny fahazoana ny laharan’ny tany, ary iny ihany koa ny daty fanombohan’ny fangatahana any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany ialohavan’ny fandoavam-bola antoka (cautionnement).

👉🏻 Misy ny fidinana ifotony (constatation des lieux) izay ataon’ny Kaomisionina tarihin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany. Ka antsoina ny tompony sy ireo mpiray vody rindrina mialohan’izany.
Ny Kaomisiaonina no manao fintanana an-tsoratra ny mahakasika ny eo ambonin’ilay tany angatahina : fanorenana nafambolena ary izay nanazary izany. Izy ireo ihany koa no mametraka ny heviny (avis) amin’ny fanomezana na tsia ilay tany.

👉🏻 Mitohy amin’ny fitsirihana faharoa (2nd repérage) ny dingana aorian’ny fahazoan’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany ny antontan-taratasy .

👉🏻 Rehefa vita izany dia alefa any amin’ny «autorités des décisions».

👉🏻 Manome tolokevitra ny lehiben’ny fari-piadidiana (chef circonscription) : omena na tsia ny tany, ny anton’izany ary mametra ny vidiny .

👉🏻 Mametraka ny sampandraharaham-paritra : mitombina ve ny fanomezana na tsia, ary ihany koa ny fanampahan-kevitra (décision) ao.

👉🏻 Rehefa tsy misy fanamarihana avy amin’ny «autorités des décisions» dia miroso amin’ny «immatriculation» ny tany. Satria ny tany voasoratra amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy ihany no azo omena ny mpangataka.

👉🏻 Raha tsy mitombina kosa ny fangatahana, dia tsy tohizana intsony ny dingana.

👉🏻 Rehefa ekena ny fangatahana dia mety ho ny tany rehetra (totalité) na mety ho ampahany, arakarakin’ny zava-misy ao amin’ny fangatahana.

👉🏻 Amin’ny fotoana hivoahan’ny ny fanampahan-kevitra (décision) dia ampahafantarina (notifier) ny mpangataka.

👉🏻 Homanina ny antontan-taratasy rehetra hanaovana ny «Immatriculation» sy ny tsato-bato dia alefa any amin’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany. Ny titra kosa dia any amin’ny sampandraharahan’ny Fanananantany. Ary ny tompon’ny tany no manome ny anaran’ny tany izay mety aminy.

👉🏻 Rehefa vita izany dia midina ifotony ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany manao ny tsato-bato, ary misy fiantsoana ireo voakasika indray.

👉🏻 Raha tsy misy olana ny fanatanterahana ny tsato-bato dia averina any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany indray ny antontantaratasy sy ny tatitra (PV) nanaovana ny «immatriculation» ary ny saritany mifanaraka amin’izany.

👉🏻 Ampahafantarina an’ilay mpangataka ny tany amin’ny alalan’ny «avis de paiement» ny vola tokony aloany, any amin’ny «Provision Domaniale» ary mahazo fanamarinana (quittance) izy rehefa voahefa izany. Ao anatin’ny iray (1) taona no tokony handoavana izany, ka raha tsy tanteraka izany ao anatin’io fe-potoana io dia azo atao ny manao fanafohanana ny fangatahany.

👉🏻 Manao sonia ny taratasim-pivarotana (acte de vente) ny mpangataka ary alefa any amin’ny «autorités d’approbation» : fileovana (préfet) na any amin’ny foibe.

👉🏻 Miverina any amin’ny foibem-pitantanana ara-ketra (centre fiscal) anaovana ny « enregistrement ».

👉🏻 Miroso amin’ny fanoratana amin’ny «livre foncier» izay «registre» ampiasain’ny sampandraharahan’ny Fananantany hanoratana ny titra an’ny olona tsirairay izay misoratra ao.

🫴🏻 Omena ny tompony ny « Duplicatat du titre » na dika mitovy amin’ilay « livre foncier » ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

6️⃣ 𝑭𝒆-𝒑𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒗𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 ?
Miankina amin’ny fahavononan’ny mpangataka, ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ary ireo sampana teknika izay miara miasa amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ny fahafainganan’izany.

Amin’izao, noho ny ODOC na titra faobe izay karakarain’ny Minisitera dia haingana sy mora kokoa ny fangatahana ny tany. Mitambatra amin’ny toerana ny fangatahana ka manamora ny fanatanterahana ny «procédure», sy ny vidin’ny tany satria ny Fanjakana dia mitsinjo manokana an’ireo mpangataka tafiditra ao anatin’ny ODOC.

7️⃣ 𝑵𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒍𝒂 𝒉𝒐𝒎𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂
Eny amin’ny peta-dridrina eny amin’ny circonscription tsirairay avy.

19/07/2026

🇲🇬📊📈𝐀𝐕𝐈𝐒 𝐃𝐄 𝐏𝐑𝐎𝐋𝐎𝐍𝐆𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 - 𝐑𝐄𝐂𝐑𝐔𝐓𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐂𝐇𝐄𝐅 𝐃'𝐄𝐐𝐔𝐈𝐏𝐄 & 𝐄𝐍𝐐𝐔𝐄𝐓𝐄𝐔𝐑 (𝐑𝐒𝐔)

𝘿𝙞𝙨𝙩𝙧𝙞𝙘𝙩 : Amboasary Atsimo, Ambohidratrimo, Ambovombe Androy, Ampanihy Ouest, Ankazoabo, Antalaha, Antananarivo Avaradrano, Antanimora Atsimo, Antsiranana I, Bealanana, Bekily, Beloha, Benenitra, Beroroha, Betioky Atsimo, Betroka, Faratsiho, Fenerive Est, Fianarantsoa I, lhosy, lsandra, Lalangina, Mandritsara, Morombe, Sakaraha, Taolagnaro, Toliary I, Toliary II, Tsihombe, Vavatenina, Vohibato

raharahany fananantany
12/06/2026

raharahany fananantany

14/11/2025

📌 𝔽𝕚𝕥𝕤𝕚𝕕𝕚𝕙𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕣𝕒-𝕡𝕠𝕞𝕓𝕒 𝕗𝕒𝕟𝕒𝕛𝕒𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕗𝕚𝕗𝕒𝕟𝕒𝕜𝕒𝕝𝕠𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕣𝕒-𝕥𝕖𝕜𝕟𝕚𝕜𝕒 𝕟𝕒𝕥𝕒𝕠𝕟’𝕟𝕪 𝕋𝕖𝕥𝕚𝕜𝕒𝕤𝕒 ℙ𝕀ℂ 𝕥𝕖𝕥𝕠 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕄𝔸𝕋𝕊𝔽

Nandray ny delegasionan’ny Tetikasa PIC notarihin’ny Mpandrindra Nasionaly androany ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharaham-tany. Izay Tetikasa tohanan’ny Governemanta sy vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena .

Nifantoka tamin’ny asa sy ny fiaraha-miasa tanterahina miaraka amin’ny MATSF ny fihaonana. Ary indrindra mahakasika ny fanajariana ny tany, ny fandrindrana sy fanomezana antoka ny asa mifandraika amin’ny fananan-tany. Nanao jery todika mahakasika ireo asa efa vita, toy ny PUDI sy « dématérialisation ».

Nisy ihany koa ny jeritodika natao momban’ny asa efa notanterahina sy nametrahana ireo laharam-pahamehana apetraky ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharaham-tany, ary niresahana ireo asa mbola ho avy, toy ny :

- Ny fanokafana ny DAI Nosy Be,
- Ny fanaovana sonia ny MOU telo tonta eo amin’ny MEDD, MTA ary MATSF, izay mikendry ny hanamafisana ny fiarovana ny fananan-tany anatin’ireo faritra arovana.
_______

📌 𝕍𝕚𝕤𝕚𝕥𝕖 𝕕𝕖 𝕔𝕠𝕦𝕣𝕥𝕠𝕚𝕤𝕚𝕖 𝕖𝕥 é𝕔𝕙𝕒𝕟𝕘𝕖 𝕥𝕖𝕔𝕙𝕟𝕚𝕢𝕦𝕖 𝕕𝕦 ℙ𝕣𝕠𝕛𝕖𝕥 ℙ𝕀ℂ 𝕒𝕦 𝕄𝔸𝕋𝕊𝔽

Le Ministre de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers a accueilli ce jour une délégation du Projet PIC conduit par le coordonateur national, projet gouvernemental bénéficiant d’un financement de la Banque Mondiale.

Cette rencontre a permis un échange technique portant sur les interventions menées en collaboration avec le MATSF, notamment sur l’aménagement du territoire, la planification territoriale, la sécurisation foncière, ainsi que sur plusieurs actions déjà réalisées, dont le PUDI et la dématérialisation des procédures foncières.

Une courte séance de travail s’est tenue pour préciser les appuis du Projet PIC dans la mise en œuvre des priorités du Ministère, et pour évoquer les actions à venir, parmi lesquelles :

- L’inauguration prochaine du DAI Nosy Be,
- La signature du MOU tripartite entre le MEDD, le MTA et le MATSF, destiné à renforcer la sécurisation foncière des aires protégées.

19/10/2025
17/08/2025

C'est une mesure qui était voulue par le président américain Donald Trump lors de sa campagne électorale. Avec ce déploiement de 4 000 Marines, il entend cibler les cartels sud-américains, dont plusieurs…

29/07/2025
Tokotany Amidy : Superficie : 10 Ha Misy nozaraina ho lotissement ihany koa ny ampahany : mirefy 10/20m ; Titré et Borné...
09/07/2025

Tokotany Amidy :

Superficie : 10 Ha

Misy nozaraina ho lotissement ihany koa ny ampahany : mirefy 10/20m ;

Titré et Borné ;

Aaka hanaovana activités tsaa ho any za manana vina ny hamboly na ny hiompy!!

Lieu : Andreba / Atsikafoka ;

Contact : Agence Immobilière à Fénérive-Est
034 24 507 62
WhatsApp : 032 76 207 19
Mail : [email protected]

Vérification possible auprès de Service du domaine!!

Manolotra ny tsara ho anao hatrany!!!

Tany amidy, devant route RN5 environ 10 km miala Fénérive-Est ; Mirefy : 400 m2Anaty titre faobe ; Responsable : Agence ...
04/07/2025

Tany amidy, devant route RN5 environ 10 km miala Fénérive-Est ;

Mirefy : 400 m2
Anaty titre faobe ;
Responsable : Agence immobilière Raharison ;

Mirefy : 1Ha eo no eo ;
Responsable : Agence immobilière Raharison ;

Pour information :
Téléphone : 034 24 507 62
WhatsApp : 032 76 207 19
Mail : [email protected]

Address

Villa Oceanside, Parcelle 02, Carreau 4 Sahavola
Fenoarivo Atsinanana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet d'étude foncière/Agence immobilière posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share