Père Jean Yvon

Père Jean Yvon 📖 Ampy ho anao ny fahasoavako 2 Kor 12, 9 b💌🙏

Alarobia 16 Septembre 2026💎 Alarobia faha-24 mandavan-taona ⛪ 💎Md Corneille, Md Cyprien 🙏💎Loko Mena 🟥 ➖➖➖Tenin'Andriaman...
16/09/2026

Alarobia 16 Septembre 2026
💎 Alarobia faha-24 mandavan-taona ⛪
💎Md Corneille, Md Cyprien 🙏
💎Loko Mena 🟥
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 12, 31 — 13, 13
❤️Ireto telo ireto no mitoetra, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
➖➖➖
➡️Salamo 32, 2-3. 4-5. 12 sy 22
Fiv.: Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
➖➖➖
2️⃣Lk. 7, 31-35
❤️Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana m**o na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏🥰

Alatsinainy 14 Septembre 2026💎FANKALAZANA NY NANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA💎Loko Mena 🟥 ➖➖➖Tenin'Andriamanitra 📖 :1️⃣Fan....
14/09/2026

Alatsinainy 14 Septembre 2026
💎FANKALAZANA NY NANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA
💎Loko Mena 🟥
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣Fan. 21, 4b-9
❤️Izay voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona aina.
➖➖➖
➡️Sal. 77, 1-2. 34-35. 36-37. 38.
Fiv.: Tsy hanadino ny asan’ilay Mahery aho.
➖➖➖
2️⃣Fil. 2, 6-11
❤️Nilatsa-Tenany ho ambany Izy; ho valin’izany kosa dia nasandratr’Andriamanitra Izy.
➖➖➖
3️⃣Jo. 3, 13-17
❤️Tsy maintsy asandratra ny Zanak’Olona.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏🥰

Asabotsy 12 Septembre 2026💎 Asabotsy faha-23 mandavan-taona ⛪ 💎 Anarana Masina Maria 🙏 💎Loko Maintso 🟩 ➖➖➖Tenin'Andriama...
12/09/2026

Asabotsy 12 Septembre 2026
💎 Asabotsy faha-23 mandavan-taona ⛪
💎 Anarana Masina Maria 🙏
💎Loko Maintso 🟩
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 10, 14-22a
❤️Tena iray ihany isika na dia maro aza, fa m**o iray ihany no iombonantsika rehetra.
➖➖➖
➡️ Salamo 115, 12-13. 17-18
Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, Tompo.
➖➖➖
2️⃣Lk. 6, 43-49
❤️Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara o***a tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nano***a ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra 🥰🙏

Alarobia 9 Septembre 2026💎 Alarobia faha-23 mandavan-taona ⛪ 💎 Md Pierre Claver 🙏💎Loko Maintso 🟩 ➖➖➖Tenin'Andriamanitra ...
09/09/2026

Alarobia 9 Septembre 2026
💎 Alarobia faha-23 mandavan-taona ⛪
💎 Md Pierre Claver 🙏
💎Loko Maintso 🟩
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 7, 25-31
❤️Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao: Aza mitady vady.
➖➖➖
➡️Salamo 44
Fiv.: Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina.
➖➖➖
2️⃣Lk. 6, 20-26
❤️Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra e 🥰🙏

Talata 8 Septembre 2026💎Fety nahaterahan'i Masina Maria 🙏💎Loko fotsy ⬜ ➖➖➖Tenin'Andriamanitra 📖 : 1️⃣Mikea 5, 1-4a❤️Ho a...
08/09/2026

Talata 8 Septembre 2026
💎Fety nahaterahan'i Masina Maria 🙏
💎Loko fotsy ⬜
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣Mikea 5, 1-4a
❤️Ho avy ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka.
➖ na
1️⃣Rôm. 8, 26-30
❤️Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.
➖➖➖
➡️Salamo 12, 6ab. 7de
Fiv.: Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho.
➖➖➖
2️⃣Mt. 1, 1-16. 18-23 (lava) na: 18-23 (fohy kokoa)
❤️Izay ho teraka ao aminy dia avy amin’ny Fanahy Masina.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: “Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🥰🙏

Alatsinainy 7 Septembre 2026💎 Alatsinainy faha-23 mandavan-taona ⛪ 💎Mb Régine 🙏💎Loko Maintso 🟩 ➖➖➖Tenin'Andriamanitra 📖 ...
07/09/2026

Alatsinainy 7 Septembre 2026
💎 Alatsinainy faha-23 mandavan-taona ⛪
💎Mb Régine 🙏
💎Loko Maintso 🟩
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 5, 1-8
❤️Esory re ny lalivay ela, satria efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika.
➖➖➖
➡️Salamo 5
Fiv.: Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho.
➖➖➖
2️⃣Lk. 6, 6-11
❤️Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.
Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: “Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.” Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏🥰

Alahady 6 Septembre 2026💎 Alahady tsotra faha-23 mandavan-taona Taona A ⛪ 💎 Lohahevitra : NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY...
06/09/2026

Alahady 6 Septembre 2026
💎 Alahady tsotra faha-23 mandavan-taona Taona A ⛪
💎 Lohahevitra : NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY ARINA AN-TAVA
💎 Loko Maintso 🟩
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣Ez. 33, 7-9
❤️Raha tsy niteny hananatra ny ratsy fanahy ianao, dia hadiniko aminao ny rany.
➖➖➖
➡️Sal. 94, 1-2. 6-7
Fiv.: Raha mba mihaino ny feon’ny Tompo ianareo anio, aza manamafy ny fonareo.
➖➖➖
2️⃣Rôm. 13, 8-10
❤️Ny fitiavana no fahatanterahan’ny Lalàna.
➖➖➖
3️⃣Mt. 18, 15-20
❤️Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha diso taminao ny namanao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho”.
➖Izany ary ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary Alahady mahafinaritra ho antsika rehetra 🥰🙏

Asabotsy 05 Septembre 2026💎 Asabotsy faha-22 mandavan-taona ⛪ 💎Mb Raïssa🙏➖➖➖Tenin'Andriamanitra 📖 : 1️⃣1 Kôr. 4, 9-15❤️N...
05/09/2026

Asabotsy 05 Septembre 2026
💎 Asabotsy faha-22 mandavan-taona ⛪
💎Mb Raïssa🙏
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 4, 9-15
❤️Noana izahay, mangetaheta, tsy manan-kotafiana.
➖➖➖
➡️Salamo 144, 17-18. 19-20. 21
Fiv.: Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy.
➖➖➖
2️⃣Lk. 6, 1-5
❤️Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?
Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: “Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny m**o alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?” Sady nampiany hoe: “Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏🥰

Zoma 04 Septembre 2026💎Zoma faha-22 mandavan-taona ⛪ 💎Mb Rosalie 💎➖➖➖Tenin'Andriamanitra 📖 : 1️⃣1 Kôr. 4, 1-5❤️Haneho ny...
04/09/2026

Zoma 04 Septembre 2026
💎Zoma faha-22 mandavan-taona ⛪
💎Mb Rosalie 💎
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kôr. 4, 1-5
❤️Haneho ny fanirian’ny fo Andriamanitra.
➖➖➖
➡️Salamo 36
Fiv : Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.
➖➖➖
2️⃣Lk. 5, 33-39
❤️Rahefa eso***a teo aminy ny mpampakatra: amin’izay vao hifady hanina izy ireo.
Tamin’izany andro izany, ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe: “Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?” Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.” Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: “Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao. Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Bn journée à nous tous 🥰🙏

Alakamisy 3 Septembre 2026💎 Alakamisy faha-22 mandavan-taona ⛪ 💎Md Grégoire le Grand 🙏💎Loko fotsy ⬜ ➖➖➖Tenin'Andriamanit...
03/09/2026

Alakamisy 3 Septembre 2026
💎 Alakamisy faha-22 mandavan-taona ⛪
💎Md Grégoire le Grand 🙏
💎Loko fotsy ⬜
➖➖➖
Tenin'Andriamanitra 📖 :
1️⃣1 Kô 3, 18-23
❤️Anareo ny zavatra rehetra, fa ianareo an’i Kristy ary i Kristy an’Andriamanitra.
➖➖➖
➡️Salamo 23
➖➖➖
2️⃣Lk. 5, 1-11
❤️Nandao ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.
Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: “Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: “Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.” Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy: dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: “Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.” Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: “Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.” Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.
➖Izany àry ny tenin’ny Tompo.
➖Dera anie ho Anao, ry Kristy!
➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖
🎙️ Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 🙏🥰

Address

Lazariste
Fort-Dauphin

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Père Jean Yvon posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category