08/11/2025
FIANTSOANA
Taorian'ny fitsanganan'ny VOVONANA REZIONALY GEN X Y Z eto amin'ny Faritra Betsiboka, ny Filoha lefitra Rezionaly miandraikitra ny Distrikan'ny Maevatanana (Maître Tsiry) dia miantso antsika fikambanana (na ara-tsosialy na ara-politika na syndicat) rehetra tsy ankanavaka izay mijoro eto anivon'ny Distrikan'ny Maevatanana mba ho tonga hivory eny amin'ny IDEALY PARC ny talata faha 11 Novambra 2025 amin'ny 3 ora tolakandro, ho fananganatsika ny Biraon'ny VOVONANA GEN X Y Z DISTRIKA .Marihana fa amin'ny alalan'ny fifidianana no ananganana ny VOVONANA ka aoka isika samy ho vonona ny amin'izany. Ary izao fiantsoana izao no atao dia mba hialana amin'ny kiantrano an-trano izay manimba ny fikambanana matetika ka miangavy antsika rehetra ho tonga amin'io fotoana io, ary ampitapitao amin'ny namana rehetra indrindra ny any amin'ny Kaominina (Commune) manodidina antsika. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa ny VOVONANA ( PLATFORME) dia ivondronan'ny tanora ao anatin'ny fikambanana maromaro, ary miady amin'ny tsindry hazolena sy ny tsy rariny izay miseho eny anivon'ny fiaraha-monina, indrindra indrindra ny fitadiavana sy fitrandrahana miaraka ny tombontsoa iombonana ho an'ny Faritra Betsiboka iray manontolo. Mankasitraka indrindra tompoko !