16/02/2026
Elaela tsy hita izahay fa tonga amin'izay àry fa akaiky ny vanim-potoana tena fanaovana azy.
Na izany aza dia ireto sary ireto no maneho fa azonay hatao tsara ny asa na dia cyclone aza ny andro satria dia nandalovany (gezani, Fytia) tokoa ireto asa ireto fa tsy naharodana azy izany satria tsara fiarovana izy sady tsara kalitao no tsara mpikarakara indrindra indrindra. Vao nanomboka mihitsy ny vanim-potoanan'ny fahavaratra no nanomboka azy ity izahay.
Marihana kosa anefa fa asa vita coffrage ihany no nahazaka azy fa ny feta tsotra tsy nety natao fahavaratra mihitsy ka tsy maintsy najanona mihitsy.
Antsika àry ny safidy fa ny tsara tsy mba mora, fa ny fifampiresahana ihany koa aminay dia zava-dehibe.
Iray volana sisa fa afaka mamandrika dieny izao àry.
Mankasitraka tompoko