27/02/2024
IRERY
Manirery aho ankehitriny
Mahatsiaro sy mamerinana ny fahiny
Manirery aty an-tany lavitra
Ka misento sy miandrandra ny lanitra
Lasa saina mandinika izay natao
Mahatsiaro mafy ny fisihanao
Dia ianao ry ilay tsy foiko
Maratra mafy ny atao am-poko
Mijaly irery aho ankehitriny
Mijaly irery feno irifiry
Mitomany irery aho
Mba tongava fa mila anao aho
ILAY ALOKA
27-02-2024