26/04/2026
RAHA MIVAROTRA AMPAHAN-TANY VITA CADASTRE INDIGENE IANAO
Tsinjovy ny client izay mividy ny taninao, aoka mba ho aradalana tsara ny taratasy vao amidy ny tany fa mampalahelo be mahita ireo namana izay tena very hevitra rehefa hanao famindrana (mutation) ny tany novidiany amin’ny anarany
HO ANAO IZAY MIVAROTRA TANY VITA CADASTRE INDIGENE
Aoka ho tsaroanao fa tokony ataonao ireto dingana manaraka ireto mba tsy hampidi-kizo ny client izay mividy ny taninao. Andeha ho raisintsika ny petra-kevitra (hypothèse) hoe mihoatran’ny 2000 metatra tora-droa (m2) ny taninao vita cadastre indigene kanefa ny mpanjifanao te hividy 300 m2 fotsiny amin’io
1. Azonao antoka ve fa azo havahana amin’ny alalan’ny morcellement io 300m2 io ka hahazo titre foncier mitokana ho azy io mpanjifanao io? Mila voavalinao io fanontaniana io. Mba hahafantaranao na hahazo titre na tsia io 300m2 tian’ny mpanjifanao ho vidiana io, dia tsy maintsy mangataka fe-petra momba ny fanajariana (prescription d’urbanisme) io toerana misy ny taninao io ianao. Io ihany koa no hahalalanao ny velaran-tany kely indrindra azo avahana
2. Afaka hanorenana trano ve io toerana io, mila valianao io fanontaniana io, mba hahafantaranao fa azo hanorenana trano na tsia io toerana io dia ilaina ihany koa mangataka fe-petra momba ny fanajariana (prescription d’urbanisme)
3. Raha azo hanorenana trano ilay toerana fantatrao ve ny isan’ny rihana (étages) betsaka indrindra azo haorina eo raha trano misy rihana no tetikasan’ilay mpanjifa hataony eo amin’io tany io
4. Asehoy ny mpanjifanao ny autorisation de decoupage general izay tsy maintsy ataonao alohan’ny hivarotanao ny ampahany Alaina amin’ny tany mirefy mihoatra ny 2000 m2. Tsy hahazo autorisation de morcellement mihintsy io fifampivarotana ataonareo io raha tsy misy ny autorisation de découpage general
5. Asehoy azy fa manana ny autorisation de morcellement ianao fa raha tsy izany dia izy indray no ho lany vola haka géometre expert hanao ny projet de morcellement
6. Ilazao izy fa tsy maintsy havadika titre foncier ilay taninao vao afaka mahazo titre foncier izy amin’ilay tany novidiny, ka raha mbola sahy miditra izy dia mazava ny lalan-kizorana. Mifanaraha tsara ianareo iza no handoa ny vola ho lany amin’ny famadihana ho titre foncier ny taninao (transformation de titre cadastral en titre foncier), izy client ve sa ianao tompon-tany.
7. Azonao antoka ve fa tsy misy tetikasa fanorenana foto-drafitrasana ( projet de construction d’infrastructure) eo amin’io toerana io, ohatra amin’izany tetikasa fanamboarana lalana vaovao, raha izay no misy dia halain’ny fanjakana io tany io (expropriation) ka vidiny mora be, ohatra 10.000 Ar ny m2 kanefa ny mpanjifanao hividy aminao 80.000 Ariary ny m2
8. Ireo aloha no zavatra izay tsikaritray fa tsy misy na tsy ampy rehefa mangataka fanampiana aminay ireo clients nividy ampahan-tanyamin’ny tany vita cadastre ka mihoatran’ny 2000m2 ny velaran’ilay tany niandohana (propriété mère)
Raha mila fanazava fanampiny dia azonao antsoina izahay na mandefasa hafatra miafina.
METY TSY HO VOAVALY AVOKOA NY COMMENTAIRES KA DIA IALANA TSINY MIALOHA
Lucien
Géomètre Expert
Tel 0389344021 / 0326233865