12/12/2020
Ho anareo rehetra mbola misalasala ny amin'ny toerana haleha mandritr'ity fialantsasatra 😕, dia ireto misy antony atolotray anareo haharesy lahatra anareo ny ho any andranomasina 🌊, sady Foulpointe zao no akaiky 😉.
✳ Ilain'ny vatana ny milona anaty ranomasina mba hiadiana amin'ny aretina maro toy ny "virus" sy ny "bactéries" sy hialana amin'ny rarintsaina nohon'ny harerahana sy ny fiasana saina be loatra 😊. Izy koa dia manamaina fery haingana,manadio hoditra sy manamandina ary mampamiratra azy,fomba natoraly iray hiadiana amin'ny mony izy💆😉. Manamafy taolana ihany koa ny ranomasina noho ny calcium ao anatiny ka tena mety ho an'ireo olona tapaka sy ho an'ny zaza💀😃.
Ny fidiran'ny ranomasina anaty orona dia manatsara ny taovampisefoana ary mahomby lavitra noho ireo fanafody amidy amin'ny farmasia izay misy singa avy amin'ny ranomasina hitsaboana ny "asthme" ny "allergies" ary ny aretintenda 💧👌.
✳ Foulpointe no misy ranomasina tony sy madio ary tsy manonja azo ilomana sy ilomanosana tsara 🌅. Sy akaiky indrindra an'Antananarivo no mitomandavana be ny morodranomasina azo ilalaovana 😊😁.
🔴 Efa vita tsara ny làlana mampitohy an'i Toamasina sy Foulpointe 😌.
💡 Ankoatry ny ranomasina, misy ny Manda Fort sy valanjavaboahary (parc) azo tsidihina koa any 🌇, ny fandehanana kayak sy lakana mandeha mijery "étoile de mer","serpent de mer","oursin",sns...🐚🐙🐡
🔥 Ahitana ny sakafo rehetra sy ny zavatra ilaina andavanandro any 😋.
✳ Tsara ny toetr'andro any,mety amin'ny olona rehetra nohon'ny fifangaroan'ny tso-drivodranomasina 🍃 sy ny fisian'ireo karazan-javamaniry maro izay manamando sy mampisy aina ny tontolo any 🌊.
💢 Mba miala ny rivotra maloton'ny renivohitra ka manadio ny taova amin'ny fifohana rivo-dranomasina madio 😉🌆.
💡Efa misy antokom-pivavahana karazany maro any izay azo andehanana tsara hiderana an'Andriamanitra ny andron'ny Krismasy 🙏.
‼ Mba miala ny fitohanan'ny fiara lavareny sy ny fibosesehan'ny olona sy mifanety eraky ny tsena indrindra ny andron'ny 23 sy 24 Desambra izay tena mihitsoka tokoa ka mahatonga raritsaina ho an'ny maro😫.
🌟Tapaho ary ny hevitra, vao manomboka ny fialantsasatra izao dia efa afaka manainga 😋 sa ahoana hoy ianareo ? 😁
♥ Misaotra antsika rehetra izay efa nametraka ny fitokisany aminay hatrizay, ary faly koa izahay mandray izay rehetra mbola ho avy 😊. Tongava daholo ô! 😄