Mamita

Mamita social et politique

Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy. Mitohy hatrany ny asa sosialy izay ataon'ny Fikambanana Anakavin'ny...
24/08/2025

Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy. Mitohy hatrany ny asa sosialy izay ataon'ny Fikambanana Anakavin'ny Zaman-jaza eto Toamasina. Ny Alahady 24 Aogositra dia tonga nizara fitaovam-pianarana izay nahitana Cahier, Stylo ho an'ireo mpikambana ao aminy ity fikambanana ity mba hiatrehan'ireo Raiamandreny ny fidiran'ny mpianatra.

22 Août 2024 - 22 Août  2025: Feno 1 taona ny nitantànan'Andriamatoa RAFIDISON Richard na i Zaman-jaza ny Ministeran'ny ...
22/08/2025

22 Août 2024 - 22 Août 2025:
Feno 1 taona ny nitantànan'Andriamatoa RAFIDISON Richard na i Zaman-jaza ny Ministeran'ny Asa Vaventy.
Araka ny fomba fiasa efa nahazatra azy nandritra ny naha Goverinoran'ny Faritra Atsinanana azy dia manao tatitra isan-taona ny asa vita sy ireo vinan'asa mbola miandry ny tenany hatramin'izay.
Manome fotoana antsika ny Minisitry ny asa Vaventy RAFIDISON Richard amin'ny fandaharana SAVARAVINA amin'ny Alahady faha-24 Aogositra 2025 aorian'ny vaovao RNM amin'ny 7 ora hariva.

AUTOROUTE.Nahazo famatsiam-bola  mitentina 80 tapitrisa dolara tamin'ny BADEA. Porofo mivaingaina izao fa matoky tantera...
20/08/2025

AUTOROUTE.
Nahazo famatsiam-bola mitentina 80 tapitrisa dolara tamin'ny BADEA. Porofo mivaingaina izao fa matoky tanteraka antsika ny mpamatsy vola amin'ny fanatanterahana ny autoroute.
Ny any ivelany indray no mahatsapa ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana fa isika eto Madagasikara no tonga amin'ny tenin'ny Ntaolo hoe :" valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia".
Taorian'ny. ADFD izay efa nanome famatsiam-bola. mitentina 60 tapitrisa dolara, dia manamafy ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara ihany koa ny BADEA ka nanome famatsiam-bola 80 tapitrisa dolara ho fanamboarana ny autoroute.
Fiara 1.200 isan'andro no mifamezivezy amin'ny RN 2 ary afaka folo taona dia ho avo telo heny izany nohon'ny fihitaran'ny Seranan-tsambon'i Toamasina. Tsy mahavaly ny filana intsony ny RN2 nohon'ny fahanteran'ny fotodrafitr'asa ka ilaina ny fanamboarana ny autoroute.
Ho vita ao anatin'ny adiny roa sy sasany ny lalana 266km raha toa ka vitaina ao anatin'ny adiny folo ny RN2 izay mirefy 370 km. Hihena ihany koa ny fandaniana solika ho an'ny fiara madinika raha mandany 55 litatra ankehitriny dia hihena ho 25 litatra rehefa vita ny autoroute.

Ho an'ny fiara mpitatitra entana indray raha 124 litatra ankehitriny dia hihena 80 ka hatramin'ny 90 litatra rehefa vita ny autoroute.

Izay rehetra natomboka  dia tsy maintsy vitaina hoy ny Filohampirenena Andry RAJOELINA. Eka aozy Zaman-jaza.
12/08/2025

Izay rehetra natomboka dia tsy maintsy vitaina hoy ny Filohampirenena Andry RAJOELINA.
Eka aozy Zaman-jaza.

Vita tanteraka ankehitriny ny lalana mirefy 4km avy eo amin'ny rond point Don Bosco mihazo ny Andranotapahina.Mampifandr...
11/08/2025

Vita tanteraka ankehitriny ny lalana mirefy 4km avy eo amin'ny rond point Don Bosco mihazo ny Andranotapahina.
Mampifandray ny village artisanal Ambohitrimanjaka sy Bd de L'Europe.

Tovontovogna tsy digny tanty. Nanolotra vary sy vilanibe ho an'ny fikambanan'ny Renin_jaza ao amin'ny fiangonana Anglika...
10/08/2025

Tovontovogna tsy digny tanty. Nanolotra vary sy vilanibe ho an'ny fikambanan'ny Renin_jaza ao amin'ny fiangonana Anglikana ao Mahanoro ny Minisitra ZAMAN-JAZA mba ho fihatrean'izy ireo ny zaikaibe izay atao ny 13 aogositra ao Mahanoro. Nanolotra izany ny mpiara-miasa aminy akaiky, Ramatoa Thelline Elinah chargé de mission eo anivon'ny MTP, sy ireo mpikambana eo amin'ny Anakavin'ny Zaman-jaza.

06/08/2025

Anjarantsika eto Mahanoro indray ty e!

Mahatsiaro ho tompon'andraikitra ny fikambanan'ny Anakavin'ny Zaman-jaza eto Toamasina ka nanolotra vary efatra gony, me...
29/07/2025

Mahatsiaro ho tompon'andraikitra ny fikambanan'ny Anakavin'ny Zaman-jaza eto Toamasina ka nanolotra vary efatra gony, menaka roa baoritra, rano fisotro 160 litres ary solika 100 litres mba ho fiatrehan'ireo mpianatra ato amin'ity DREN Atsinanana ny sport scolaire izay atao any Fianarantsoa ny 18 ka hatramin'ny 24 ny volana Aogositra izao. Filoham-boninahitry ny Fikambanana Ramatoa RAFIDISON Ismael Sophie no tonga nanolotra izany ny Talata 29 jolay 2025.

26/07/2025

Eka angay iong! Masasara ara
Mankasitraka ny ekipa ao amin'ny RZA MAHAKASIKA.
(Zoky FIDY)

Address

Faritra Atsinanana
Tanambe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mamita posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category